Vaovao songadina avy amin’ny faritra Itasy sy Atsimo Andrefana

  • Itasy: Manamafy sy manatsara hatrany ny fanohanana ara-teknika ny fampiroboroboana ny fandraharahana eny ifotony ny eo anivon’ny Fitaleavam-paritra (DRIC). “Hanome fampiofanana maimaimpoana indray mandeha isam-bolana ny DRIC ho fanandratana ireo orinasa kaoperativa eto amin’ny Faritra” hoy ny Talem-paritra Jaoriziky Patricia. Tontosa ny Alarobia 28 aogositra 2024 izany fanamafisana fahaiza-manao izany tao amin’ny trano fivorian’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Itasy ka kaoperativa miisa 15 (avy amin’ny kaominina Mahavelona, Ampefy,Ifanja,Zoma Bealoka, Soavimbazaha,Morarano Atongona) no nisitraka izany tamin’ity andiany ity. Niompana tamin’ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa, ny fampandrosoana ny asa fivelomana ary ny fitadiavana lalam-barotra ity fampiofanana niarahana tamin’ny Fihariana sy ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Itasy ity. Raha tsiahivina dia miisa 440 ankehitriny ny kaoperativa mitsangana ao amin’ny Faritra Itasy.
  • Atsimo Andrefana: Taorian’ny faritra Boeny, Itasy, Bongolava, Atsinanana ary Matsiatra Ambony dia i Atsimo Andrefana indray no nanatanterahana ny Atrik’asa fakan-kevitra mikasika ny Tetik’asa Fanondroana ara-jeografika (Indication géographique) tamin’ny Alarobia 28 aogositra 2024. Ity tetik’asa ity dia fitaovana iray hiarovana ireo vokatra mampalaza sy mampiavaka ny isam-paritra. Marihana fa aorian’ny atrik’asa isam-paritra ny fanolorana ny volavolan-dalàna izay entina ho lanian’ny solombavambahoaka mandritra ny fivorian’ny parlemanta manaraka.

Source: DRIC

Vous aimerez aussi...