Fiaraha-midiniky ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP)

𝗔𝗸𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗗𝗣𝗣 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗳𝗲𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗩𝗼𝗹𝗮𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻-𝗱𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮 (𝗣𝗟𝗙𝗜) 𝟮𝟬𝟮𝟱

fiaraha-midinika
 
Tamin’ny alalan’ny Atrikasa fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina no nanombohana ny dinika ho fanomanana ny Volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bola 2025. Tafavory tetsy amin’ny Cité des cultures Antaninarenina, araka izany, ny 10 Septambra 2024 ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny voakasika.
Nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) amin’ny maha-mpitarika ny komity mitantana ny DPP azy. Naneho ny fahavononan’ny Fanjakana hanohana sy hiara-hiasa amin’ny Sehatra tsy miankina ny Sekretera jeneralin’ny MIC, Vahinisoa RASAMOELY.
Aorian’ity dinika savaranonando ity dia mbola hisy ny fifampiresahana eo amin’ireo samy sehatra tsy miankina. Ny avy amin’ny seha-panjakana ihany koa handinika tsara ireo tolo-kevitra izay naroso ka hijery izay tokony ho hatsaraina sy tokony hitondrana fanitsiana. Hiverina hifanakalo hevitra indray ny avy amin’ny Sehatra tsy miankina sy ny rafi-fanjakana avy eo. Amin’izay no handraisana ny tena tolo-kevitra farany ho volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bola.
Nikarakara ny hetsika ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM).

Vous aimerez aussi...