๐๐ถ๐ต๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ ๐ถ๐ป๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ฎ๐๐ถ๐ฑ ๐ฅ๐๐๐๐ ๐๐ข๐๐๐ฅ๐๐ก๐๐ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐๐บ๐ฏ๐ฎ๐๐ฎ๐ฑ๐ฎ๐ผ๐ฟ๐ผ๐ปโ๐ถ ๐๐ฎ๐ฝ๐ผ๐ป ๐๐๐ ๐๐ผ๐ท๐ถ ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ-๐บ๐ถ๐ฎ๐๐ฎ ๐ถ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฎ๐๐ฎ๐บ-๐ฏ๐ผ๐น๐ฎ ๐ท๐ฎ๐ฝ๐ผ๐ป๐ฒ๐ ๐ฒ๐๐ผ ๐ ๐ฎ๐ฑ๐ฎ๐ด๐ฎ๐๐ถ๐ธ๐ฎ๐ฟ๐ฎ
Noraisinโny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA tetsy aminโny birao fiasany Ambohidahy, androany Talata 17 Septambra 2024, ny Ambasadaoronโi Japon miasa eto Madagasikara sy Comores, ABE Koji. Fotoana izay namariparitanโny roa tonta ny fomba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo aminโny fampiroboroboana ny indostria izay andry faharoanโny fampandrosoana any Madagasikara araka ny Politika ankapobenโny Fanjakana, ny varotra ary ny fifandraisana aminโny sehatra tsy miankina.
Nambaranโny Minisitra David RALAMBOFIRINGA fa nanohina azy ny fahitana ny elanelana misy raha tarafina aminโny fandrosoanโi Indonรฉsie sy i Chine izay vao notsidihany tsy ela akory izay. ยซ Rehefa mahatsapa fa tratra aoriana dia tsy maintsy miasa sy mijery vahaolana na misy aza ny fahasahiranana ยป, hoy izy taminโny Ambasadaoro japoney.
Resy lahatra ny Minisitra fa tsy maintsy hamafisina ny fifampitokisana hahasarika ireo mpampiasa vola ho avy eto amintsika. ยซ Mila manazava, mitondra valin-teny, mifanakalo hevitra araka izay tratra ary mametraka mazava ny fitsipika manoloana ireo Lalร na samihafa izay misy ยป, hoy ihany izy. Nisarika ny sainโny japoney moa izy ho liana aminโny sehatry ny sakafo mifototra aminโny vokatry ny fambolena ahafahana manatratra ny tanjona fahavitan-tena ara-tsakafo.
Naneho ny fahavononany avy hatrany hanampy anโi Madagasikara ny Ambasadaoronโi Japon raha nilaza fa handresy lahatra anโireo orinasa japoney efa miasa aty Afrika izy ho tonga eto Madagasikara. Atsy Afrika Atsimo sy Kenya moa no tena mahasarika ny ankamaroanโireo mpampiasa vola japoney ireo.
Anisanโny manintona ny mpandraharaha japoney eto Madagasikara aminโizao fotoana izao ny kakao any Ambanja.