Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta Afrikanina

𝗩𝗼𝗮𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗽𝗮𝗶𝗸’𝗮𝗱𝗶𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗭𝗟𝗘𝗖𝗔𝗙

Taorian’ireo dingana maro samihafa toy ny fakan-kevitra nasionaly tamin’ny sehatra rehetra voakasika, izay natao nanerana ny faritra maro teto Madagasikara, dia nahatafavoaka paik’adim-pirenena momba ny Faritra malalaka ara-barotry ny Kaontinanta afrikana (ZLECAF) isika. Tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano no nanatanterahana ny Atrik’asa nampahafantarana ny asa vita ary nankatoavana izany.
Ny tanjona dia ny hananana vina mitovy sy hampidirana izany paik’adim-pirenena izany ao anatin’ny tanjon’asa sy ezaka ho an’ny rafi-panjakana rehetra. Notsindriana manokana tamin’izany ihany koa ny anjara toeran’ny vehivavy sy ny tanora. Nomarihina fa raha voatrandraka tsara ity fiseharana ara-barotra aty anivon’ny kaontinanta ity dia ho sehatra ahafahana mampiakatra ny harinkarena faoben’ny firenena satria i Afrika dia tsena lehibe izay akaiky indrindra antsika, manana ny loharanon-karena maro afaka trandrahina.
Nohamafisin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA, izay nanokatra ny Atrik’asa teny Ankorondrano, ny fahavononan’ny Ministera izay tantaniny hiara-dalana hatrany amin’ny rehetra, indrindra ny sehatra tsy miankina izay handraharaha mivantana amin’io tsena io, mba ahazoana misitraka ny tombontsoa ho azo amin’ity fifanarahana ity aorian’ny fankatoavan’i Madagasikara izany.

Vous aimerez aussi...