Atrikasa tany Toamasina

𝗡𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗼𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗲𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝘃𝗮𝗻𝗶𝗹𝗮

Vita ny tapak’andro maraina ny fankatoavana ny volavolam-penitra momba ny lavanila malagasy raha natokana ho an’ny famolavolana ny drafi-pitsipika teknika izay ezahana ho ampiharina amin’ity taona fanondranana lavanila hoavy ity ny tapak’andro hariva.
Notanterahana ny Alakamisy 19 Septambra 2024 teo tany Toamasina ny Atrik’asa fankatoavana ny fenitra malagasy momba ny lavanila. Nandray anjara tamin’izany ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatra lavanila, ireo avy ao amin’ny DRAE, ny FOFIFA, ny manampahaizana manokana eo amin’io sehatra io.
Nahafahana nanatanteraka izao Atrik’asa izao ny fiaraha-miasa tamin’ny DRIC Atsinanana, ny CNCA, BNM, SQC, GEVM sy ny SEVAM ary SAHANALA.

Vous aimerez aussi...