𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗮𝘃𝗶𝗱 𝗥𝗔𝗟𝗔𝗠𝗕𝗢𝗙𝗜𝗥𝗜𝗡𝗚𝗔 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗔𝗺𝗯𝗮𝘀𝗮𝗱𝗮𝗼𝗿𝗼𝗻’𝗶 𝗘𝗷𝗶𝗽𝘁𝗮 𝗻𝗶𝗿𝗲𝘀𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮

Noraisin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) teny amin’ny birao fiasany eny Ambohidahy ny Ambasadaoron’ny Repoblika arabon’i Ejipta eto Mdagasikara, Rabab Said Abdou Abdelhadi. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny hidirana lalindalina kokoa amin’ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny tany roa tonta.
Amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny indostria no hampandrosoana ny firenena ka maniry hitondra ny fanampiany an’i Madagasikara i Ejipta, araka ny nambaran’ny Ambasadaoron’i Ejipta. Na i Madagasikara na i Ejipta dia samy manana vokatra tena tsara kalitao ka hahazo tombontsoa amin’ny fampiakarana ny habetsahan’ny fifanakalozana eo amin’ny andaniny sy ankilany.
“Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena vahiny i Madagasikara ka apetrakay ny tontolo manodidina ny fandraharahana manome vahana ny fampandrosoana ara-toekarena an’i Madagasikara, hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA tamin’ity diplomaty ejiptiana ity.

Vous aimerez aussi...