Andro iraisam-pirenena ho an’ny kaoperativa (JIC) – FARITRA ALAOTRA MANGORO

Famelabelaran-kevitra sy fampahafantarana ny Lalàna vaovao mifehy ny Orinasa kaoperativa no nanombohana ny fankalazana ny JIC ny Zoma 5 Jolay 2024 ho an’ny tany Ambatondrazaka. Nandray anjara tamin’ny fanazavana narahina fanontaniana koa ny avy amin’ny Foibe momba ny hetra, CNaPS ary ny avy amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI AL.MAN.).
Nitohy tamin’ny varotra fampirantiana ny vokatr’ireo kaoperativa ny hetsika mandrapaharivan’ny andro. Faly ny mpanatrika sy ny mpisehatra rehetra ary maniry ny hitohizan’ny toy izao isan-taona.

Vous aimerez aussi...