Antenimieran’ny varotra sy indostria: nahazo trano vaovao hisy ny biraony ny CCI Ihorombe

Vita hatreo ny fanofana trano fa hanana ny azy amin’izay ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Ihorombe manomboka izao. Natolotra ny CCI Ihorombe tamin’ny 5 Oktobra 2023 ny Birao vaovao, vokatry ny tohana avy amin’ny Fandaharanasa DEFIS izay novatsian’ny FIDA vola.

Hampifandray ny tantsaha mpamokatra sy ny mpandraharaha mpividy vokatra, ahafahana manamafy ny famokarana mitodika amin’ny tsena no tanjona amin’izao fahavitan’ny fotodrafitrasa izao. Hampandroso sy hanatsarana ny fidiram-bola ary ny fampananana asa any amin’ny Faritra Ihorombe izany.

Tamin’ny taona 2009 no niorina ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Faritra Ihorombe. Miasa ho an’ny mpandraharaha amin’ny alalan’ny fanofanana sy fanomezam-baovao ny CCI Ihorombe.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...