Egipta sy Madagasikara

Nosavasavain’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny Ambasadaoro Rabab Abdelhadi ny fiaraha-miasa azon’ny roa tonta tanterahana ho fampiroboroboana ny indostria

Efa ho herintaona ny Ambasadaoron’i Egipta, Ramatoa Rabab Abdelhadi, no tonga teto amintsika ary efa afaka nifanakalo hevitra tamin’ny Sehatra tsy miankina matetika. Tsapany ny tokony hampitomboana misimisy kokoa ny fifanakalozana. Liana ny mpampiasa vola egiptiana, hoy ity masoivoho vahiny ity, fa mbola tsy ampy ny fahalalany momba ny sehatra azo trandrahina sy ny antoka amin’ny fampiasambola eto Madagasikara.
Nanazava moa ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa efa voafaritra ao anatin’ny Lalàna momba ny fampiasambola (Loi sur les investissements) daholo izany rehetra izany fa mila hamafisina ny serasera amin’ny fampahalalana io Lalàna io.
Nifantoka tamin’ny fampiroboroboana ny indostria ny fihaonana teo amin’ny Minisitry misahana ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Ambasadaoron’i Egipta monina sy miasa eto Madagasikara, Ramatoa Rabab Abdelhadi tamin’ity Alakamisy 08 Febroary 2024 ity.

Tamin’ny fitsidihan’ny Ministra tany Egipta niaraka tamin’ny Filohampirenena dia efa tsapany ny fandrosoan’ity firenena ity eo amin’ny lafiny ara-indostrialy. Nohamafisiny iray amin’ireo andry telon’ny fampandrosoana nosoritan’ny Filohampirenana amin’ity fotoampiasana faharoa ity ny fampiroboroboana ny indostria. Efa natomboka ny ODOF (One District One Factory), hoy ny Ministra Edgard Razafindravahy, ka milina indostrialy 75 no miparitaka eran’ny Nosy. Hampidina ifotony ny milina hatrany amin’ny kaominina no tanjona. Mila aodina eny an-toerana ny vokatry ny tantsaha. Azo atao tsara ny fiaraha-miasa raha manana mpanamboatra ireny karazana milina fanodinam-bokatra ireny ny Egiptiana dia mividy an’izany any amin-dry zareo ny Malagasy.
Etsy andaniny dia efa vonona koa ny vala indostrialy sy ny faritra indostrialy ka ilàna mpanosika tetikasa matihanina (développeurs) izany. Naneho fahavononana hifandresy lahatra amin’ireo mpampiasa vola sy mpanosika tetikasa matihanina hiasa eto Madagasikara ny Minisitra Edgard Razafindravahy.

Vous aimerez aussi...