Fakan-kevitra

𝗡𝗲𝗻𝘁𝗶𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗗𝗶𝗻𝗶𝗸𝗮 𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗥𝗮𝗳𝗶-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗦𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮 (𝗗𝗣𝗣) 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻-𝗱𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘇𝗮𝗸𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗶𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮.

Naroso nifanakalozan-kevitra tamin’ny rafi-panjakana indray ilay volavolan-dalàna momba ny Fizakamanana ara-indostria taorian’ny namelabelarana azy nanolona ireo solontenan’ny Parlemanta roa herinandro lasa izay. Anisan’ny nitondrana fanatsarana tamin’ny Atrikasa notontosaina tetsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina momba ny fanamafisana ny zo mahakasika ny Fanondroana ara-jeografika (Indications Géographiques) voarakitra ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny Fizakamanana ara-indostria.

Nandray anjara tamin’ny Atrikasa ny avy amin’ny Primatiora, MEF, MINAE, MPEB, MESUPRES, MEDD.

Miara-miasa akaiky ny Minisiteran’ny Fampirobroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) sy ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) amin’ny fanatanterahana ny fifanakalozan-kevitra sy dinika eo amin’ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina (Dialogue Public Privé). Raha mitana ny andraikitra maha-filohan’ny Komity mpitantana ny MIC dia misahana ny fandrindrana izany kosa ny EDBM. Manohana ny fanatanterahana ny atrikasa kosa ny CLIM INVEST izay vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa tetsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria (DGI) avy eto amin’ny MIC, Njivatiana RAKOTOARIVONONA.

Taorian’ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny Sehatra tsy miankina ny 11 Oktobra 2024 ihany tetsy amin’ny EDBM Antaninarenina vao ho tanterahina ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny sehatra ara-panjakana sy tsy miankina miaraka.

Vous aimerez aussi...