Fampiroboroboana ny seha-pihariana momba ny lamba: Mitohy ny fifanakalozana entina hamolavolana ny drafitra stratejika nasionaly lavitra ezaka momba ny fanatsarana seha-pihariana momba ny lamba.

Tao aorian’ny dinika nifanaovan’ny MICC sy ireo sehatra tsy miankina (nahitana ny EDBM sy ny GEFP) niaraka tamin’ny kabinetra « International Finance Corporate » (IFC, mpanohana ara-teknika sy ara-bola) ny 02 febroary 2023 lasa teo mikasika ny drafitra stratejika momba ny seha-pihariana lamba dia tontosa androany kosa indray ny fampahafantarana izany ho an’ny mpiara-miombona antoka eo sehatra miankina. Nahitana ny fandraisan’anjara an’ireo minisitera samihafa voakasika toy ny ladoany, ny misahana ny hetra, ny misahana ny tontolo iainana, ny misahana ny asatanana ary ny fampianarana teknika.
Isan’ny seha-pihariana mitondra ny fampandrosoana ara-toekarena sy mitondra fampivoarana eo amin’ny sehatry ny fanondranana sy eo amin’ny fampanana asa betsaka indrindra eto Madagasikara ny seha-pihariana momba ny lamba. « Mendrika indrindra izany raha toa ka jerena ny fananana drafitra nasionaly lavitra ezaka natokana ho amin’izany seha-pihariana izany manaraka ny toetrandro ankehitriny », hoy ny Tale Jeneraly misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria eto anivon’ny MICC, Gaëtan Ramindo.
Vonona hatrany ireo mpiara-miombona antoka miankina hifanome tanana amin’ny fanatsarana hiarahana amin’ny IFC izany. Zava-dehibe ny fametrahana sy fanoratana ireo orisana madinika sy salantsalany ao anatin’izany drafitra izany, ny fametrahana teboka stratejika manokana momba ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fivelaran’ny tsena momba ny lamba amin’ireo Nosy sy firenana hafa ihany koa. Ireo teboka ireo no nentin’ny sehatra miankina hanatsarana ny drafitra stratejika nasionaly tetsy Anosy.

Vous aimerez aussi...