Fampiroboroboana ny sehatry ny kaoperativa

Anatin’ny famolavolana ny Didy fampiharana ny Lalàna vaovao momba ny Orinasa kaoperativa ny teknisiana.

Teny amin’ny birao fiasan’ny NCBA CLUSA Andohalo omaly no nandinihana sy nanohizana ny famolavolana ny Didy fampiharana ny Lalàna momba ny Orinasa kaoperativa. Nandray anjara tamin’izany ny NCBA CLUSA, ny mpiara-miasa avy ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE), ny avy ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Raharaha momba ny Lalàna (DAJ) ary ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Analamanga. Ny hanatrarana vokatra anatin’ny 100 andro moa no tanjona amin’izany.
Asa miandry, araka izany, ny fandrafetana ny Didy Fampiharana; ny fakàna ny hevitry ny mpahay Lalàna manokana momba ny Orinisa kaoperativa; ny fankatoavana eto anivon’ny MIC; ny fankan-kevitra eny amin’ireo Minisitera teknika isan-tsokajiny; ny fankatoavana avy amin’ireo mpisehatra voakasika rehetra ary ny fankatoavana eny anivon’ny CRDA mialoha ny fanolorana izany eny anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra.
Ry zareo NCBA CLUSA moa dia Tetik’asa mpiara- miasa, mpanohana ny MIC amin’ny lafiny fampiroboroboana ny kaoperativa.
Sary DPE

Vous aimerez aussi...