Fanatsarana ny tontolo fandraharahana: hohamafisina ny fahaiza-manaon’ny Sehatra tsy miankina sy ny tompon’andraiki-panjakana mikirakira Lalàna

Taorian’ny fametrahana ny sampam-pianarana Master II momba ny Lalànan’ny fampiraisana isam-paritra (« Droit de l’ntégration régionale ») tany amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa dia andalam-panomanana ny fifampizarana ho fanatsarana fahaiza-manao momba ny Lalàna ho an’ny sehatra tsy miankina sy ny tompon’andraikim-panjakana mikirakira ny Lalàna ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) sy ny Acp Legal Océan Indien ary ny CCI Mayotte. Mpahay Lalàna avy any ivelany sy eto an-toerana no efa manatanteraka izany fanofanana izany mba hampahomby kokoa an’i Madagasikara amin’ny fifandraisany miaraka amin’ny firenena manodidina.

Vous aimerez aussi...