Fandaharanasa SME BLP

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny IBIS Hôtel Ankorondrano ny Fandaharanasa SME BLP (Small and Medium Entreprise Business Linkage Program) avy amin’ny Banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana (BAD). Nifantoka tamin’ny fanohanana ireo MPME sy fampifandraisana ireo orinasa madinika sy salantsalany amin’ny orinasa lehibe sy vaventy ity fandaharanasa ity. Nisy ny fanamorana ny fifandraisan’izy ireo amin’ny lalam-barotra, fametrahana ny orinasa iray ho ara-dalàna, fanomezana traikefa ireo orinasa ary fidirana eo amin’ny lafiny famatsiam-bola.
Mifanitsy tanteraka amin’ny lalan-tsaina hitondrana ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra ity Fandaharanasa SME BLP ity. « Fampanantenana goavana be no azontsika satria mbola mitohy foana ny vokatra izay nateraky ny atrikasa sy tetikasa SME BLP io. Ao anatin’izany ny famatsiam-bola ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany eto Madagasikara”, hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA teny amin’ny lanonam-pamaranana teny Ankorondrano. Mbola misy fanantenana eo anivon’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana amin’izay mety hifanampiana sy hifanatonana mahakasika ny tetikasan’ny Minisitera ankehitriny momba ny ODOF (One District One Factory) izay fampandrosoana isa-paritra, isaky distrika.

Vous aimerez aussi...