Fandraharahana

Mifanaraka amin’ny Lalampanorenana ny Lalàna momba ny Fampiasam-bola eto Madagasikara
Namoaka ny didiny ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) nandritra ny fotoam-pitsarana manokana ny Talata 25 Jolay 2023 teo. Nambarany fa mifanaraka amin’ny Lalampanorenana ny Lalàna 2023-002 mifehy ny Fampiasam-bola eto Madagasikara.
Ny Filohan’ny Repoblika no nangataka ny hevitry ny HCC momba izany, araka ny fanao mahazatra, alohan’ny hamoahana azy hanan-kery.
Efa nolanian’ny teny amin’ny Parlementa ny Lalàna momba ny Fampiasam-bola eto Madagasikara.
Lalàna ahitana Toko folo sy andininy 35. Mivoitra anatin’izany ny fanamorana ny fikarakarana ny fananganana orinasa, fametrahana safidy mazava tsara eo amin’ny sehatry ny famahana olana, fanitarana ny sehatra ifandaminana anatiny manoloana ny olana misy eo amin’ny mpampiasa vola avy eto an-toerana sy ny fanjakana Malagasy.
Nolazain’ny Minisitra Edgard Razafindravahy moa fa Lalàna miaro sy miantoka ny fampiasam-bola, hampifandanja ny erijika fampiasam-bolan’ny eto an-toerana sy ny avy any ivelany no ilaina ary mamaly izany ity Lalàna ity.

Vous aimerez aussi...