Fandraharahana ho an’ny tanora

Manohana ny tanora hiditra amin’ny tontolon’ny fandraharaharana ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC)
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly Zoma 15 Marsa 2024 tetsy amin’ny Centell Antanimena ny fanokafana ny EJE SEMINARY andiany faha-2. Manamarika izany ny Atrikasa maharitra roa andro misesy (mifarana androany) karakarain’ny « Club Entrepreneurs Étudiants du Rendez-vous des Entrepreneurs » na CEERE. Tanora miisa 60 vao hisandratra ao anatin’ny fandraharahana no handray anjara amin’ny hetsika EJE SEMINARY. Hisy ny tantsoroka sy ny fanohanana ara-teknika akaiky ho an’ireo tanora ireo.
Eo ambany fiahian’ny MIC izay notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria, Rakotoarivonona Njiva ity atrikasa ity. Ahafahana manampy ireo tanora hanatanteraka ny tetikasany, hanomezana azy ireo fahaiza-manao sy traikefa hoentina miatrika ny fandraharahana mba ho tonga tena mpandraharaha. Roa andro, ahafahan’ireo tanora mamantatra ny zavatra ilaina hanatanterahany ny fandraharaharana tiany hatao. Mandritra io fotoana io hisy ny fifampizarana sy faneraserana amin’ny mpandraharaha efa matianina.
Aorian’izao atrikasa izao, hisy ny fanaraha-maso mandritra ny 3 volana ho atao amin’ireo tanora ireo, ho fanampina azy ireo sy hanarahana ny fanatanterahany ny tetikasany.
« Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria dia manamporisika hatrany ny tanora hisehatra amin’ny fandraharaharana amin’ny alalan’ny atrikasa toy itony sy vonona hiara-hiasa amin’ny mpiara miombona antoka ho fanatanterahana izany. » hoy ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana, Irène Andriamaneho.

Vous aimerez aussi...