Fandraharahana: vita sonia teo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina ny Fifanekena momba ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria

« Tsy misy fampandrosoana raha tsy mafy ny Sehatra tsy miankina. Ary tsy afaka mivelatra ny Sehatra tsy miankina raha tsy mampiasa vola. Tsy misy fampiasam-bola raha tsy misy ny famatsiam-bola. Ary tsy misy ny famantsiam-bola raha tsy misy fahatokisana. Tsy misy fitokisana raha tsy misy ny fiaraha-miasa, raha tsy misy ny dinika ifanaovana, raha tsy misy ny fiaraha-midinika maharitra”. Nazava ny tenin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany raha namelabelatra ny antom-pisian’ny Fifanekena momba ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria (Pacte de programmation industrielle).

Natao sonia tetsy Ankorondrano tamin’ity Alatsinainy 31 Jolay 2023 ity ny Fifanekena teo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina raha iray volana lasa izay no voarafitra tamin’ny alalan’ny Atrikasa ny rijan-teny momba izany. Ankoatra ny avy amin’ny Fanjakana dia anisan’ny hita teny an-toerana ny Filohan’ireo Vondron’ny mpandraharaha samihafa toy ny GEM, FIVMPAMA, SIM GEFP GFEM SYMABIO GEHEM APPAM FOMM.
Matoa tonga amin’izao dingana izao fanaovan-tsonia izao ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina dia teo ny fiaraha-miombon’antoka, ny fifampitokisana ary ny fiarahana midinika. Hanohizana izany indrindra no maha-zava-dehibe ny fametrahana ny Filankevi-pirenena ho amin’ny Fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara na CNIM. Ity rafitra ity no hanara-maso ny fanatanterahana izay voalaza ao amin’ny Fifanekena araka ny Tetiandro nifanarahana.

Vous aimerez aussi...