Fanomanana ny tanora hiatrika ny tontolon’ny asa: nifarana androany ny fampiofanana ho an’ireo tanora miisa 83 avy amin’ny Sekoly ambony miara-miasa ao anatin’ny fandaharanasa Pôle Stage Madagascar (PSM)

Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpianatra 83 mianadahy rehefa avy nisitraka ny fampiofanana tetsy amin’ny biraon’ny SIM nandritra ny herinandro. Nandray anjara tamin’ny fizarana traikefa sy fampahafantarana ireo mpianatra ny tontolon’ny fandraharahana ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny fandraharahana (DPE) eto anivon’ny MICC.

Mbola hitohy izany fampiofanana izany ho an’ny andiany mpianatra manaraka ho amin’ity taona 2023 ity hanamorana ny fisitrahan’ireo tanora mpianatra fizaran’asa eny anivon’ny orinasa ary ihany koa entina hanomanana azy ireo hiditra amin’ny sehatry ny asa.

Sary DPE

 

Vous aimerez aussi...