Faritra Vatovavy: Misokatra nanomboka androany ny Tsena Mora ao antampon-tanànan’i Mananjary

Vary 1500kg isaky ny fokontany no amidy amin’ny 1200Ar/kg. 3kg isaky ny tokantrano no azo vidiana. Misitraka izany ny tokantrano 500 isam-pokontany ka fokontany 06 no nanombohana azy dia Andovosira, Anosinakoho, Ankadirano, Masindrano, Fangato ary Mahatsinjo.
Mivoha ho an’ny mponin’i Mananjary ny Talata sy Alakamisy ny Tsena Mora.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Tsena Mora ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Vatovavy niaraka tamin’ny DAGR, ny tompon’andraikitra mandrindra ny Tsena mora ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny DRICC ary ny lefitry ny Ben’ny tanànan’i Mananjary.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...