Fiainana anatin’ny minisitera

Nandray ny raharaha amin’ny maha Tale misahana ny Otrikarena mahaolona (DRH) azy eto amin’ny MIC ny Tale vaovao, Malalaharinivo Norofidy Juliana.
Notanterahina omaly Alatsinainy 17 jona 2024 ny famindram-pitantanana teo amin’ny DRH teo aloha, Solofonirina Eliane Marie sy ny Tale vaovao voatendry tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra farany teo.
« Ho hasongadina sy hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-mientana amin’ny mpiara-miasa tsirairay eto anivon’ny MIC », hoy ny DRH vaovao.
Notsindrian’ny Sekretera Jeneraly, Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa Seheno ny fomba fiasa anatin’ny mangarahara eto amin’ny Minisitera ho fampandrosoana ny asa ho an’ny firenena.

Vous aimerez aussi...