Fiarovana ny mpanjifa

Arahin’ny Minisiteran’ny Varotra maso akaiky ny fitehirizana sy fikarakarana sakafo ho an’ireo mpiasa sy ny marary eny ambonin’ny sambo “Mercy Ships”.

Tsy manakana velively ny MIC tsy hanao fitsirihana eny ambonin’ny sambo Mercy Ships ny fitsaboana maimaimpoana ataony ho an’ny malagasy. Ho fiarovana ireo mpiasa sy ny marary tsy maintsy mihinana eny ambony sambo no nijerena akaiky ireo fitehirizan-tsakafo ao anatiny hitandrovana ny kalitaon’ny sakafo.
Nitarika ireto mpanara-maso avy amin’ny Minisitera niditra tao amin’ny sambo Mercy Ships ireto omaly Alarobia 21 Febroary 2024 ny Tale misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC), ny Talen’ny Varotra Anatiny (DCI) ary ny Talem-paritra (DRIC) Atsinanana. Hita tamin’izany fa manaraka ny fenitra rehetra takiana ny fitehirizana ny sakafo ary tsy misy ahiahy ny momba izany.
Ankoatra ny sakafo vidina ao an-toerana, ao Toamasina,dia misy ihany koa ireo sakafo nafarana izay ho tonga tsy ho ela. Mandray andraikitra amin’ny fanaraha-maso sy fitiliana azy ireny ny DRIC Atsinanana. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana Malagasy dia halefahana ny fikarakarana ny atontan-taratasy mifandraika amin’izany fanafarana izany.
Hitsabo maimaimpoana eto Madagasikara ny ekipan’ny Mercy Ships mandritra ny roa taona ary tsy ho ela dia hanomboka ny fisoratana anarana ho amin’ireo izay maniry hisitraka ny fitsaboana.

 

Vous aimerez aussi...