Fiarovana ny mpanjifa: andrasana ny valin’ny fitiliana natao tamin’ireo singa nalaina tamin’ny hena namidy teny an-tsena

Omaly Alarobia 10 Mey 2023 no nidina manerana ny tsenan’Antananarivo Renivohitra ny ekipa avy amin’ny DPC ( Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa ) eto amin’ny MICC nanao ny fakana singa tamin’ireo hena namidin’ny mpivarotra. Avy dia nalefa teny amin’ny laboratoara ACSQDA izany hatao fitiliana.

Naely moa ny vaovao fa amidy eny an-tsena ny hena misy “formol”. Tsy nisy hatreto ny nanome vaovao ny amin’ny mpivarotra manao izany. Nirosoana foana anefa ny fanaovana fitiliana ho fiarovana ny mpanjifa.

Sary DPC

Vous aimerez aussi...