Fiarovana ny mpanjifa: nomena 15 andro hitsarana ny mizàna ampiasainy ny mpivarotra eny amin’ny Fokontany Tsarahonenana, Andraisoro, Ampasampito sy Ampanotokana

Naharay fitarainana ny ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) fa mangala-danja sy tsy nandalo fitsarana ny mizàna ampiasain’ny mpivarotra eny amin’ireo fokontany eny amin’ny Boriborintany Antananarivo V ireo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpanara-maso ny Alakamisy 11 Mey 2023 nitsirika sy nanao fisavana ireo mizàna.

Voamarina tokoa fa ny ankamaroan’ny mpivarotra dia tsy nanao izay fitsarana mizàna izay; Ao koa anefa ny tsy nanaja fe-potoana hanavaozana ny fitsarana. Nametrahana taratasy fanasana avy hatrany izy ireo hanatanteraka izay fitsarana mizàna izay ao anatin’ny 15 andro. Aorian’izay dia mihatra ny sazy ho an’ireo tsy nanao izany.

Sary DPC

Vous aimerez aussi...