Fifanarahana ara-toekarena sy ara-barotra (APEi)

Natomboka ny fakan-kevitra nasionaly mikasika ny varo-draharaha
Tanjon’ny Atrik’asa mandritra ny roa andro etsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ny mba hananan’ny rehetra voakasika fahalalana ankapobeny mitovy momba ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny varo-draharaha (commerce des services). Izany dia hahafahana mandrafitra lisitry ny raharaha ho alalahana ara-barotra ary indrindra koa hahafahana mandray fanapahan-kevitra mba tena ho lisitra hitondra tombontsoa ara-toekarena ho an’ny firenena no hatao isaky ny seha-pihariana momba ny raharaha.
Mandray anjara amin’ity Atrik’asa fampiofanana sy fakan-kevitra nanomboka omaly Talata 20 Febroary 2024 ity ny avy amin’ireo seha-pihariana ara-baro-draharaha maro samihafa.
Tsy maintsy miroso amin’ny fananganana lisitry ny raharaha ekena ho alalahana ara-barotra ny roa tonta anatin’io fifanarahana voalaza io dia ny Vondrona Eoropeanina sy ny Firenena AfOA (Afrika Atsinanana sy Atsimo) izahy ahitana an’i Seychelles, Maurice, Comores, Zimbabwe ary Madagascar). Marihina fa manan-danja ny varotra servisy eo amin’ny firenena iray ary azo atao fanoitra ho an’ny fampandrosoana.

Vous aimerez aussi...