Fifandraisana amin’ny firenena britanika

Afaka hisitraka ny fandaharanasa ara-barotra DCTS (Developing Countries Trading Scheme) na rafitra fifanakalozana amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana i Madagasikara
Tanjon’ny fandaharanasa DCTS ny fanohanana ara-toekarena sy fanampiana hanalefahana ny vidim-piainana eo amin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana. Afaka mandefa vokatra mankany amin’ny tsena britanika ireo mpanondrana entana ary tsy ho tataovan-ketra eny amin’ny ladoany izany. Eo ihany koa ny fanamorana ireo taratasy ilaina amin’ny fanondranana.
Afaka hisitraka an’io fandaharanasa io i Madagasikara hoy ny Ambasadaoro Britanika, David William Ashley, nandritra ny fihaonany tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy omaly Alakamisy 15 Febroary 2024 tetsy Ambohidahy. Nanamafy ihany koa ny tenany fa zava-dehibe ary ahitan’ny firenena malagasy tombontsoa ara-barotra sy ara-toekarena ny fankatoavana tanteraka ny fifanaraham-piaraha-miasa ekonomika « APEI ».
Novelabelarin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra tamin’ny Ambasadaoro Britanika ny tantsoroka andrasan’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny indostria. « Efa mihazakazaka ny Minisitera sy ny Fanjakana ary efa nametraka ireo rafitra hanatsarana ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Tena ilaina ny fanohanana iraisam-pirenena eo amin’ny fitadiavana ireo mpanosika tetik’asa matihanina (développeur) sy ireo mpampiasa vola ahafahana mampandroso ny sehatry ara-indostria malagasy. »
Naneho ny faniriany hampidirana ny lavanila malagasy anaty tsenam-bola any Londres koa ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Hitazona ny vidiny tsy ho latsa-danja diso tafahoatra izany ary hiaro tanteraka ny tsenan’ny lavanila. », hoy ny Minisitra.
Nanome toky ity diplomaty britanika ity fa hijery akaiky miaraka amin’ireo teknisiana matihanina mpiara-miasa aminy mikasika ny fampiroboroboana ny indostria ary indrindra ny fanohanana ny fampidirana ny lavanila malagasy anatin’ny tsenam-bola any Londres. Hisy rahateo, hoy izy, ny andron’ny 25 Marsa 2024 izay hatokana ho an’ny mpampiasa vola maniry hiasa eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...