Fihaonam-be iraisam-pirenena momba ny Sokola

Nahaliana ny mpitsidika ny sokola vita eto Madagasikara
Afapo ny kaoperativa UCLS Ambanja sy ireo mpanondrana kakao sy sokola malagasy tamin’ny fandraisany anjara tamin’ny ”Salon International du Chocolat 2023” tany Paris Frantsa ny 28 Oktobra hatramin’ny 01 Novambra 2023. Maro ny nanjifa ny sokolantsika ary misy mpanafatra nifanaiky hividy sahady. Ny kakao malagasy rahateo vao voahosotra ho tsara kalitao indrindra (“cacao fin 100%”) tsy ela akory izay.
Ambohipihaonan’ireo mpanondrana sy mpanafatra kakao sy sokola eran’izao tontolo izao moa ity fihaonambe iraisampirenena momba ny sokola ity. Nisy ny atrik’asa nampahafantarana ny kakao avy eto Madagasikara sy ny manodidina izany, ny tombontsoa azon’ireo tantsaha mpamokatra.
Niakatra moa ny vidin’ny voan-kakao any amin’ny tantsaha satria be ny filana. Miezaka ihany koa ny mpanondrana mba ho ambony kokoa ny vidiny. Tahak’izay koa ny fanodinana kakao ho sokola sy ny fanondranana izany.
Manao ezaka ny ministera, ohatra, farany teo, tamin’ny alalan’ny fanolorana milina ahafahana mitoto ny kakao ho vovony ho an’Ambanja, anatin’ny Tetikasa ODOF. Miakatra ny vidin’ny kakao rehefa ahodina ho sokola.
Sary DCE

Vous aimerez aussi...