Fihaonana an-tampony eo amin’ny fiaraha-miasan’i Sina sy Afrika

Hanampy tosika ny fampiroboroboana ny indostria ny vokatry ny ady sisika nataon’ny delegasiona malagasy tany amin’ny FOCAC 2024.

Dinika teo amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA sy ny Filoha sinoa Xi Jinping no namarana ny Fihaonana an-tampony andiany faha-9 eo amin’ny fiaraha-miasan’i Sina sy Afrika na FOCAC 2024 ho an’ny delegasiona malagasy. Nanterin’ny Filoha Andry RAJOELINA tamin’ity fihaonana omaly Zoma 6 Septambra 2024 ity ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra samihafa ka anisan’ireny ny fampiroboroboana ny indostria.

Naneho ny fahavononany hanohana ireo tetikasan’ny Fitondram-panjakana moa ny Filoha XI Jinping.

Nialohavan’ny dinika an-databatra boribory nampahafantarana an’i Madagasikara tamin’ireo mpandraharaha sinoa izany ny Alakamisy 5 Septambra 2024. Nohamafisin’ny Filoham-pirenena teto fa misokatra ho an’ireo mpamatsy vola sinoa ireo seha-pamokarana eto Madagasikara indrindra ny fampiroboroboana ny indostria, ny fambolena, ny fizahan-tany sy ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.

Anisan’ireo natao sonia tamin’io fotoana io ny drafi-pifanaraham-piaraha-miasa momba ny fametrahana ny Faritra ara-toekarena manokana na ZES eto Madagasikara.

Nanatrika ireo fihaonana samihafa nandraisan’ny delegasiona malagasy notarihin’ny Filohan’ny Repoblika anjara tany Beijing ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA.

Antenain’ny tany afrikana hitondra fanovàna ao amin’ny lafiny toekarena ny FOCAC 2024 araka ny lohahevitra hoe: “Mifanome tanana mba hampiroborobo ny fivoarana sy hanangana vondrona Sina-Afrika avo lenta ho an’ny ho avy iombonana”.

Ho an ‘i Madagasikara manokana dia napetraka ho andry faharoa amin’ireo andry telo iankinan’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ny Fampiroboroboana ny indostria izay hisian’ny fiaraha-miasa amin-dry zareo sinoa.

Vous aimerez aussi...