Fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA sy ny Filoha sinoa Xi Jinping ao anatin’ny FOCAC 2024.

Nisy ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA sy ny Filoha sinoa Xi Jinping ao anatin’ny FOCAC 2024. Tanjon’izao fihaonana izao ny hanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ary indrindra ireo laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara amin’ireo sehatra folo nofaritan’ny Filoha Xi Jinping hiaraha-miasa amin’i Afrika. Notsipihan’ny Filoha Andry RAJOELINA ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry fambolena indrindra ny fampitomboana ny voka-bary, ny fampiroboroboana ny indostria, ny fampitomboana ny famokarana angovo ary fanajariana sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa (lalana, ny seranantsambo, seranam-piaramanidina). Naneho ny fahavononany hanohana ireo tetikasan’ny Fitondram-panjakana ny Filoha Xi Jinping ary vonona hatrany hanamafy orina ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta.

Vous aimerez aussi...