Fivoriam-be faha-21

Nandresy lahatra ny firenena amerikana hanohy ny fifanarahana ara-barotra AGOA ireo tany mpisitraka tonga tany Washington DC
Miandrandra ny fanavaozana indray ilay Lalàna amerikana momba ny AGOA ho an’ny 10 taona manaraka na mihoatra ireo mpandray anjara tamin’ilay Forum AGOA ny 24 ka hatramin’ny 26 Jolay 2024. Anisan’izany i Madagasikara izay nosoloin’ny delegasiona notarihin’ny Tale jeneralin’ny Varotra, Isidore Razanakoto, tena. Ho lany andro amin’ny volana Septambra 2025 mantsy ny Lalàna ankehitriny mifehy ny AGOA.
Ny AGOA moa dia ny fanesorana ny haban-tseranana
amin’ny vokatra mihoatra ny 6 000 avy aty Madagasikara sy ireo firenena mpisitraka izany raha ahondrana sy aparitaka eo amin’ny tsena amerikana.
Tsara ny mampahafantatra fa i Madagasikara no anisan’ireo firenena telo voalohany amin’ny fanondranana lamba any Etazonia amin’ny alalan’ny AGOA ary miteraka asa sy mamelona ankohonana eo amin’ny 100 000 eo izanyy vehivavy sy tanora ny ankamaroany amin’izany.
Tsy ny sehatry ny lamba sy ny tenona ihany, fa misy ihany koa ireo vokatra maro hafa aondrantsika toy ny lavanila, ny kakao, kafe sy ny maro hafa, ka i Etazonia no anisan’ny toerana andefasan’i Madagasikara ireo vokatra ara-barotra betsaka indrindra maneran-tany.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...