Foire Internationale de Madagascar (FIM)

fim
Aranty eny amin’ny Forello Tanjombato ireo vokatra voaodin’ny Taninketsa Indsotrialy
Ketchup avy amin’ny voatabia vokarin’ny Dagogreen any Mahitsy, vokatra samihafa avy amin’ny fanodinana tantely ataon’ny Iloo Project any Manjakandriana, ny mena-boanjon’ny Nobel Fleur ao Analavory, ny Orinasa NETA sy ny paty vokariny ao Arivonimamo, ny Kaoperativa Soa sy Fampivoarana ho an’ny Malagasy miaraka amin’ny fromazy avy amin’ny ronono, ny voankazo nohamainin’ny Kaoperativa Taratra any Fenoarivo Atsinanana ary ny vokatra avy amin’ny fanodinana ny paoma sahanin’ny Orinasa Ampalia ao Antsirabe. Anisan’ireo hita eny amin’ny Forello Tanjombato ireo mandritra ny FIM andiany faha-18 izay nisokatra androany 23 Mey 2024 ary haharitra efatra andro.
Nisafidy ny hanasongadina ireo vokatra avy amin’ireo Taninketsa Indostrialy anatin’ilay Tetikasa ODOF (One District One Factory) ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) mandritra ny FIM. Antony nampandraisana anjara an’ireo orinasa ODOF ireo amin’ny hetsika.
“Fanehoana ny indostria malagasy no tanjona”, hoy ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), Njiva Rakotoarivonona. Anisan’ny imasoan’ny Minisitera ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony anatin’ny Tetikasa ODOF.

Vous aimerez aussi...