Indostria: nanatanterahana fanaraha-maso momba ny fanajana ny tontolo iainana ny orinasa maromaro any Antsirabe

Ekipa nahitana ny avy amin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy (MEDD), ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC), ny avy amin’ny Kaominina ambonibohitra Antsiraba ary ny O.N.E no nanao ny fidinana ifotony ny 22 ka hatramin’ny 25 Aogositra 2023. Tamin’izany no nitsirihana ireo orinasa samihafa ao Antsirabe, nahitana ny Brasserie Star, Antsirabe Knitwear, Laguna Madagascar, Aquarelle, Cotona ary ny Sacimen raha voatandrin’izy ireo ny fepetra fanajana ny tontolo iainana.
Nisy ny fihainona ny mponina manodidina mahakasika ny rano maloto sy ny fofona avoakan’ny orinasa sasany.
Sary Nomena

Vous aimerez aussi...