Kolontsaina tia fandraharahana

Nozarain’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ireo mpianatra ao amin’ny Sekoly Sainte Chantal Sonierana ny lalan-tsainy amin’ny maha mpandraharaha ny tenany.

Mpianatra ao amin’ny kilasy faharoa, voalohany ary ny kilasy famaranana no nisitraka indray fizarana lalan-tsaina mpandraharaha nataon’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra ny Zoma 19 Avrily 2024 lasa teo. Nahaliana ireo tanora mpianatra ny fifanatrehana taminy satria nanovozana fomba fijery sy fahalalana manampy azy ireo amin’ny fanomanana ny ho aviny sy ny ho avin’ny firenena.
Nikarakara ny hetsika ny avy ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) izay mitety sekoly hanabeazana ireo tanora ho tia mandraharaha dieny mbola any an-tsekoly.

Vous aimerez aussi...