Lalaon’ny nosy: mifanohana hiaro ny voninahi-pirenena ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ireo mpilalao Badminton

Nampiakatra ny moralin’ny mpilalao Badminton hiatrika ny Lalaon’ny Nosy ny fahitany ny Minisitra mpiahy nijery azy ireo teny Vontovorona, anatin’ny fanomanan-tena tanteraka, androany Zoma 28 Jolay 2023. « Hanao mihoatra ny faraherinay izahay », hoy i Haja Vonjinirina Marc Alberto raha nisolo tena ny mpilalao rehetra nankasitraka ny fihetsika nataon’ny Minisitra Edgard Razafindravahy.
23 mianadahy, 8 vavy sy 15 lahy, izy ireo no natokana eny Vontovorona mandrapahatongan’ny fanombohan’ny Lalao ny 25 Aogositra 2023. Mifarimbona amin’ny fikarakarana azy ireo ny avy amin’ny Federasionan’ny Badminton miaraka amin’ny dokotera mpitsabo sy mpanotra. Tanjona ny hahazoana medaly.
Nandrisika ny mpilalao hifantoka bebe kokoa moa ny Minisitra. « Tsy vitan’ny hoe misy mpiahy fa tokony hifantoka amin’ny fanomanan-tena amin’izay ianareo. Tsy mora ny miala amin’ny fianakaviana sy mihataka toy izao. Tsy maintsy atao anefa izany raha te-handresy », hoy izy.
Toromariky ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) tamin’ireo mpiara-miasa aminy izay hidina isan’andro isan’andro eny Vontovorona ny hijerena akaiky ny sakafo manome tanjaka sy fanafody ho an’ireo mpanao Badminton hiaro ny voninahi-pirenena. Nifanarahana tamin’ireo mpanazatra koa fa hapetraka takelaka hanaraha-maso ny fivoaran’ny mpilalao tsirairay avy arakaraky ny fandrosoan’ny fotoana.

Vous aimerez aussi...