Lalaon’ny nosy: tanterahina anio maraina ny dingana famaranana eo amin’ny taranja Badminton. Azon’i Madagasikara ny medaly alimo eo amin’ny olon-droa lehilahy sy ny isan-tarika.

Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina teo no niakatra an-kianja eny amin’ny Forello Tanjombato ireo mpilalao Badminton miatrika ny lalao famaranana.
Adin’i Maurice sy Maldives ny eo amin’ny olon-tokana vehivavy raha raharahan-tokantranon’ny maorisiana ny eo amin’ny lehilahy.
Ho an’ny olon-droa lehilahy dia mihaona amin-dry zareo avy atsy La Réunion ny solontenan’ny Nosy Maurice. Efa azon’i Madagasikara kosa ny medaly alimo.
Maldives sy Maurice no mifanandrina eo amin’ny olon-droa vehivavy.
Efa nahazo medaly alimo moa isika Malagasy teo amin’ny isan-tarika lehilahy sy ny vehivavy.

Vous aimerez aussi...