Notokanan’ny Ministra Edgard Razafindravahy

Hamokatra mena-boanjo 5000 litatra isam-bolana ny Taninketsa Indostrialy ao Ankadinondry Sakay
“Mahazo mitehaka mafy ianareo. Ny antony dia nody ventiny ny rano natsakaina. Tsy natao teny fotsiny fa notanterahana”. Haravoana no nandraisan’ny mponina an’izany tenin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy izany omaly Sabotsy 09 Desambra 2023 tany Ankadinondry Sakay, tamin’ny fitokanana ny Taninketsa Indostrialy fanodinana voanjo ho lasa menaka. Hamokatra mena-boanjo 5000 litatra isam-bolana ny milina raha 2000 litatra izany nandritra ny andrana.
Ny nampiavaka ny distrikan’i Tsiroanomandidy izay misy ny kaominina Ankadinondry Sakay dia ny tsy filàny vary avy any ivelany fa ampy azy ny vokatra eo an-toerana. “Toy izany koa, rehefa mamokatra menaka isika dia tsy manafatra avy any ivelany”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana tamin’ireo .
Naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana ny Ben’ny Tanànan’Ankadinondry Sakay raha nilaza kosa ny Solombavambahoaka voafidy tao Fenoarivobe fa maro no hisitraka an’izao Taninketsa Indostrialy izao. “Na ny avy any amin’ny faritra hafa toy ny distrikan’i Fenoarivobe koa dia ho avy hivarotra ny voanjony satria eto no misy ny milina”, hoy izy omaly.
Mivondrona ao anatin’ny Kaoperativa Soa Iombonana Ankadinondry (KSIA) ireo tantsaha mpamboly voanjo mamatsy akora fototra ny milina famokarana menaka. Ho afa-pahasahiranana amin’ny fitadiavana lalam-barotra izy ireo no sady amin’ny vidiny hahazoany tombontsoa no andraisana ny vokany.

Vous aimerez aussi...