ODOF (one district one factory)

Voatolotra ny kaoperativan’ny mpamboly ny milina fanodinana voasary makirana ho an’ny distrikan’i Manandriana.
Tao Ambovombe Centre, renivohitry ny Distrikan’i Manandriana, no nanatanterahana ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny milina fanodinana voasary makirana anatin’ny Tetikasa ODOF (One District One Factory) ny Alarobia 27 Desambra 2023. Mpisitraka voalohany ny Taninketsa Indostrialy any Manandriana ny Vondron’ny kaoperativa antsoina hoe Kaoperativan’ny Mpamboly Voasary Makirana Manandriana (KMVMM) izay ahitana kaoperativa miisa 14.
Natrehan’ny Solombavambahoaka voafidy tao Manandriana, ny Lehiben’ny distrika, ny avy amin’ny Faritra (DAGR), ireo Ben’ny tànana notarihin’ny Ben’ny tànana Ambovombe Centre ary ireo solontenan’ny kaoperativa io fotoana afak’omaly io. Nialohavan’ny fandefasana horonan-tsary maneho ny lalantsaina itondrana ny Taniketsa indostrialy sy ny fametrahana izany tany amin’ny toeran-kafa ny lahateny nifandimbiasana.
Nampitondra teny fisaorana ho an’ny Minisitra Edgard Razafindravahy izy ireo fa nivaly ny hetahetan’izy ireo ka tanteraka any Manandriana ilay fametrahana orin’asa iray ho an’ny distrika iray.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...