One District One Factory (ODOF)

odofvohimpeno
Midina eny ifotony mijery ny momba ireo orinasa ODOF any amin’ny faritra ny Inspektera indostrialy
Manatanteraka ny toromariky ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny Inspektera indostrialy mba ho mpanoro hevitra sy hanao tantsoroka amin’ny mpandraharaha amin’ny fananganana sy fampihodinana ny orinasa izy ireo fa tsy ho mpanara-maso ho hatahorana.
Tany Farafangana izy ireo omaly Alarobia 14 Aogositra 2024 namaha ny olan’ny mpitantana ny orinasa ODOF manodina tantely naterin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) any an-toerana. Milina manodina tantely 100kg isan’ora ary afaka mamatsy ny tsena anatiny sy afaka manondrana any ivelany ity any Farafangana ity.
Nitohy tamin’ny fihaonana tamin’ny Kaoperativa misitraka ny fitantanana ny milina fanodinana kafe sy ireo mpamboly kafe ao amin’ny Distrikan’i Vohipeno, Kaominina Andemaka ny dian’ireo Inspektera indostrialy ireo. Ahitana mpikambana 252 ny Kaoperativa V.KOMAMI mitantana ny orinasa ODOF any Vohipeno.
Mamokatra kafe robusta izay anisan’ny manana kalitao tsara indrindra eran-tany i Vohipeno ka kafe 12 ka hatramin’ny 15 taonina isa-kerinandro no vokarin’ny Kaominina Andemaka.

Vous aimerez aussi...