One district one factory (ODOF)

Efa mihodina koa ny Taninketsa Indostrialy any Antsirabe I sy Betafo.

Toromariky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hametrahana milina fanodinam-bokatra mifanaraka amin’ny filan’ny mponina eo an-toerana. Tanteraka izany ho an’ny distrikan’Antsirabe I sy Betafo, samy ao amin’ny faritra Vakinankaratra.
Notokanan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) Edgard Razafindravahy, ny Sabotsy 27 Janoary 2024, ny Taninketsa Indostrialy manodina paoma ahazoana cidre ho an’Antsirabe I sy manodina ovy ho lasa chips ho an’i Betafo.
« Eto Antsirabe izao dia ny paoma no vokatra eto. Rehefa jerena izy io dia sahirana ny tantsaha satria mora lo ny paoma, ambany be ny vidiny”, hoy izy nanoloana ireo solontenan’ny tantsaha, Ben’ny tanàna avy amin’ireo kaominina samihafa ao anatin’ny distrika tonga nanotrona ny lanonana tao Antsenakely. Tsy ny tantsaha mpamokatra akora fototra ihany anefa fa tokony hahazo tombontsoa amin’ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory) ihany koa ny mpandraharaha voafantina hitantana ny orinasa sy ny Fanjakana.
Afaka manapotika paoma 500 kg isan’ora moa ity milina fanamboarana cidre ao Antsirabe ity izay hotantanin’ny Ampalia Madagascar, raha mahatratra hatrany amin’ny 10 000 taonina ny vokatra paoma ao Antsirabe isaky ny taom-pamokarana iray.
Ho an’ny Governoran’ny faritra Vakinankaratra, Vyvato Rakotovao kosa dia porofo izao fa tena vaindohan-draharahan’ny Fitondram-panjakana tokoa ny fampiroboroboana ny indostria ary anisan’ny laharam-pahamehan’ny Filoham-pirenena ny fampandrosoana ara-toekarena an’i Madagasikara. “Isaoranay ianao, Andriamatoa Minisitra, nanana ilay vina sy ny fahatsinjovana hoe raha Antsirabe I sy Antsirabe II dia ny cidre no tokony hatao satria ety no renivohitry ny paoma”, hoy izy nitodika tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...