One District One Factory (ODOF)

Ho aodina ho lasa ranom-boankazo sy ho azo tehirizina ny voasary makirana any Manandriana.

Eo amin’ny 3500 taonina eo ho eo isan-taona ny vokatra voasary makirana any Manandriana sy ny manodidina. Roa volana ihany, mandritra ny taona, no tsy miaka-bokatra.
Olan’ny tantsaha mpamboly voasary any an-toerana hatramin’izay ny famoahana voasary. Na tamorain’ny mpanangom-bokatra ny vidim-bokatra na simbasimba sy lo fotsiny ny vokatra. Antony nanomezana ny distrikan’i Manandriana milina fanodinana voasary, anatin’ilay Tetik’asa ODOF (One District One Factory).
Kaoperativan’ny tantsaha mpamboly voasary makirana 14 izay ahitana mpikambana 356 no mahazo tombontsoa mivantana amin’ity Taninketsa Indostrialy ao Manandriana ity. Afaka manamboatra ranom-boankazo 1000 litatra isan’ora ny milina.
Sary tahiry DRIC

Vous aimerez aussi...