Plateforme Regionale de Grains Secs (PRGS): hifarimbona amin’ny fampiroboroboana ny seha-pihariana sy fitadiavana lalam-barotra ho an’ny vokatra voa maina ny any amin’ny faritra Betsiboka. 

Apetraka amin’ny toerana sahaza azy ny voa maina izay anisan’ny mampalaza an’i Betsiboka. Nodinihana sy nolaniana ny lamin’asa 2023 ho an’ny Vovonam-paritra momba ny voa maina (PRGS). Vita ny drafitra hampiodinana ny vovonana manomboka amin’ity taona ity ka anatin’izany ny fandraisany an-tanana ny fanomanana ny Foara ara-toekarena ao amin’ny faritra ary koa ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka ara-barotra voa maina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ivelany sy mpandraharaha eto an-toerana.

Notanterahina ny Alarobia 3 Mey 2023 tao Maevatanana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny PRGS. Nandray anjara tamin’izany ny mpikambana avy amin’ny Sehatra tsy miakina ao anatin’ny seha-pihariana voa maina (mpamboly, mpanangona, mpitatitra) sy ny avy amin’ny Sampandraharaham-panjakana, ny Zandarimaria sy ny Polisim-pirenena.

Taorian’iny fivoriana iny dia ho tohizana ny asa fampahafantarana manerana ny faritra ny fisian’ny Plateforme sy fampiofanana momba ny teknikam-pambolena sy fikirakirana ny vokatra manara-penitra.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...