Salon des acteurs économiques de Mahajanga

Tafapetraka ho anisan’ny hetsika ara-toekarena lehibe any Mahajanga ny SAEM.

Tontosa ny andiany voalohany. Nifarana omaly Alahady 29 Oktobra 2023 tany Mahajanga, rehefa naharitra 4 andro, ny Hetsika fampihaonana ireo mpisehatra ara-toekarena ao Mahajanga na SAEM.

Nahitana mpandray anjara miisa 100 eo ny SAEM izay mpandraharaha misehatra amin’ny fambolena sy ny jono avy eo amin’ny faritra sy avy amin’ny faritra hafa koa. Anisan’ireo nampiranty ny momba azy sy ny asa aman’andraikitra sahaniny teny amin’ny moron-dranomasina manoloana ny CCI Mahajanga ny DRICC Boeny.

Nisolo tena ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny fotoam-panokafana ny SAEM ny Talem-paritra (DRICC) Boeny ka navoitrany nandritra ny lahateniny ny maha-zava-dehibe ny hetsika ara-toe-karena toy izao eo anivon’ny faritra sy ny anjara andraikitry ny Minisitera amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanomezana tan-tsoroka ny sehatra tsy miankina.

Naneho fiaraha-mientana tamin’ny fanotronona ny SAEM ny solonten’ny CCI La Réunion sy ny ADIM Mayottes.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...