Taninketsa indostrialy

Hampitombo ny vola miditra amin’ny tantsaha ny milina fanodinam-bokatra ao Antsirabe I sy Betafo.

Tao anatin’ny iray andro, ny Sabotsy 27 Janoary 2024, distrika roa ao amin’ny faritra Vakinankaratra no notetezin’ny Minisitra, Edgard Razafindravahy nitokanana zava-bita. Milina fanodinana ny paoma ho lasa cidre ho an’Antsirabe I raha famokarana chips avy amin’ny ovy kosa no anjaran’i Betafo.
Raha ny ovy manokana, ao anatin’ny taom-pamokarana iray, mahatratra hatrany amin’ny 30.000 taonina ny vokatra ovy any an-toerana. Misy amin’ireo vokatra koa anefa no simba fotsiny sy tsy misy mandray ka izay indrindra no nametrahana ny taninketsa indostrialy ao Betafo.
Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tany Betafo tamin’ny Sabotsy teo dia notsindriany mafy fa anisan’ireo andry telo napetraky ny Filoham-pirenena ny ady amin’ny kolikoly. Hojerena akaiky, hoy izy hoe ohatrinona marina ny vidin’ny ovy amin’izao fotoana izao. “Ohatrinona ny masonkarenan’ny tantsaha? Raha misy ity milina ity dia lasa ohatrinona ny vola miditra aminy?”
Voafantina hitantana ny Taninketsa Indostrialy izay afaka mamokatra chips 150kg isan’ora ny Kaoperativa Fanirisoa. Ao anatin’ny taom-pamokarana iray dia mahatratra hatrany amin’ny 30 000 taonina ny vokatra ovy any an-toerana.

Vous aimerez aussi...