Taninketsa indostrialy: hanana tantely ara-pahasalamana sy tsara kalitao i Nosy Be.

Lanonana miavaka notarihin’ny Prefen’ny polisy no nandraisan’i Nosy Be ny milina fanodinana tantely tao amin’ny tranon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) ao Nosy Be ny Alakamisy 26 Oktobra 2023. Nanatrika izany ny Tale mpanatanteraky ny CCI sy ny avy amin’ny Vovonan’ny mpisehatra amin’ny tantely (Plateforme tantely).

Io no fanodinana tantely faha-8 ao anatin’ny Tetikasa ODOF taorian’ny nomena ny distrikan’Ambositra, Fianarantsoa, Manjakandriana, Antananarivo Atsimondrano, Mahajanga II, Manakara ary Farafangana.

Nifarana tao Nosy Be ny iraka fametrahana Taninketsa Indostrialy nampanaovin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny mpiara-miasa aminy tany amin’ny Faritra SAVA sy DIANA tamin’iny herinandro iny.

Sary nomena

Vous aimerez aussi...