Taninketsa Indostrialy. Hahazoana lafarinina 300 kilao sy “fécule de manioc” 250 kilao ny mangahazo 1 taonina any Mahanoro

Teny ierana tamin’ny Filoham-pirenena ny hijerena ny zava-misy any amin’ny distrika ka hametrahana milina fanodinam-bokatra ho an’ny mponina ao an-toerana. Taninketsa indostrialy manodina mangahazo ho lasa lafarinina sy “fécule de manioc” no anjaran’i Mahanoro amin’ireo indostria 75 efa tonga hanatanterahana ny Velirano faha-7 dia ny Fampiroboroboana ny indostria eny ifotony.
Naseho ho hitan’ireo mpamokatra kazaha (mangahazo) mivondrona anaty kaoperativa any Mahanoro, ireo Ben’ny tanàna ao anatin’ny distrika, ireo mpandraharaha sy olon-tsotra androany Zoma 7 Jolay 2023 ny milina afaka manodina mangahazo 1t ka hatramin’ny 1t sy sasany isan’ora. Ka ny mangahazo 1 taonina na 1000 kilao dia ahazoana lafarinina 300 kilao sy “fécule de manioc” 250 kilao.
Tonga nanatitra an’izany tany an-toerana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy. “Raha 7500Ar ny kilao amin’ny lafarinina, ny mangahazo anefa 500Ar ny vidin’ny 1 kilao. Ny vokatra mangahazo mahatratra 27 000 na 30 000 taonina isan-taona. Ahoana tokoa no tsy hikarakarana ny mangahazo aty Mahanoro?”, hoy ny Minisitra tamin’ireo vahoaka vory nanoloana ny Lapan’ny Tanàna manara-penitra ao Mahanoro. Rehefa aodina mantsy ny vokatra dia mitombo ny vidiny. Hanatsara ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamokatra izany.
Nankasitrahan’ny solontenan’ny tantsaha mpamboly mangahazo, Randriamihaja Fidison Richard, izao fanomezana Taninketsa Indostrialy ho azy ireo izao. “Ela ny ela ka nahazo laka ny tantsaha. Misy fitondram-panjakana manampy ny tantsaha amin’ny famokarana ataony”, hoy izy.

Vous aimerez aussi...