Taninketsa indostrialy: hanala ny tantsaha any Betafo amin’ny fatiantoka ny fisitrahana ozinina fanodinana ovy ho lasa « chips ».

Ravoravo ny tantsahan’i Betafo. Tsy hiditra fatiantoka intsony izy ireo satria hitombo ny vola miditra rehefa voaodina ho « chips » ny ovy ka ho amidy hatrany amin’ny toeram-pivarotana lehibe.

Androany Zoma 9 Jona 2023 no naterin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tany an-toerana ny ozinina fanodinana ovy ho lasa « chips » ho fanatanterahana ny #Velirano 7 sy 9 dia ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Afaka manodina ovy 100kg isan’ora ity milina ity.

« Iarahantsika ny manodina ny ovy dia iarahantsika ny mivarotra ny chips. Izay no antony ivondronantsika ao anatin’ny kaoperativa », hoy ny Minisitra misahana ny fampiroboroboana ny indostria androany tao Alakamisy Anativato, nandritra ny fanolorana ny fitaovana.

Naneho ny hafaliany ny solontenan’ireo mpahazo tombontsoa ary nisaotra ny Filoham-pirenena nanatanteraka ny fampanantenana nataony. Tsy ho amidy mora intsony ny vokatra ovy fa ho aodina noho ny fahazoana izao fitaovana izao.

Toy ny tany amin’ny Distrika hafa dia ho alefa ny Antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet) ahafahana mifantina ny mpandraharaha hitantana ny indostria. Samy hahazo tombontsoa amin’ny Taninketsa Indostrialy na ny mpandraharaha mpitantana ny ozinina, na ny kaoperativa, na ny Fanjakana.

Vous aimerez aussi...