Taninketsa indostrialy: haodina ho yaourt na fromazy ny rononon’i Moramanga hanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpiompy

Mamokatra ronono 2 tapitrisa litatra isan-taona i Moramanga. Milina fanodinana ronono ho lasa yaourt na fromazy no naterin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ho azy. Tonga nanatrika ny lanonam-panolorana ny fitaovana teo amin’ny Bezanozano Hotel androany Zoma 23 Jona 2023 ny solontena avy amin’ireo kaoperativan’ny tantsaha mpamokatra, ireo Ben’ny Tanàna any amin’ny distrikan’i Moramanga, tanora mpianatra sy tompon’andraiki-panjakana any an-toerana.

“Io ODOF (One District One Factory) io no teny iierana nataon’ny Filoham-pirenena tamin’ny vahoaka. Isaky ny distrika dia hisy fampiroboroboana ny indostria”, hoy ny Ministra Edgard Razafindravahy nandritra ny lahateniny. Tsy hijanona eo amin’ny distrika anefa izany, araka ny fanazavany, satria tanjona ny hananan’ny isa-tanàna vokatra mampiavaka azy sy ozinina manodina izany. Politikan’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fampitombona any famokarana ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro eto an-toerana hialana tsikelikely amin’ny fanafarana avy any ivelany. “Rehafa tsy manafatra intsony isika dia tsy mivoaka ny volantsika. Hihatsara ny toekarena”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana.

Nankasitraka ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy ao Moramanga ny Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro, Guy Ramarosandratana. “Mahita maso isika fa miasa ny Filoham-pirenena, miasa ny fitondram-panjakana”, hoy izy. Hanala fahasahiranana ny tantsaha ny fahazoana fitaovana toy izao satria hatramin’izay dia ny tantsaha no misahirana miakatra mankaty amin’ny renivohitra mivarotra ny vokatra na manafatra mpanangom-bokatra amin’ny vidiny tsy mahafa-po.

Vous aimerez aussi...