Tohanan’ny tetikasa PAPRIZ: Nofanina ho mpandraharaha filamatra eny ambanivohitra ireo mpikambana amin’ny kaoperativa any Bongolava

Mpikambana 22 ao amin’ny kaoperativa MIHARY sy kaoperativa LOVAIN-JAFY no nahazo fiofanana avy amin’ny ekipan’ny DRICC Bongolava ny 22, 23 ary 24 Febroary 2023 teo. Avy ao amin’ny kaominina Ambalanirana sy Ankadinondry Sakay moa izy ireo.

Tanjona amin’izao hetsika izao, ankoatra ny fampiroboroboana ny kaoperativa, ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fampitomboana ny voka-bary. Mpamokatra vary sy masom-boly avokoa ireo mpandray anjara tamin’ny fiofanana. Nofaranana tamin’ny fanolorana fanamarinam-pahavitam-piofanana ny fotoana.

Mbola naneho fahavonona hanohana ny DRICC Bongolava hatrany amin’ny Fanaraha-maso sy Fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo kaoperativa ireo ny TETIK’ASA PAPRIZ.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...