Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Anosy sy Menabe ary DIANA

?ANOSY: Natomboka ny Alatsinainy 6 Mey 2024 ny fivarotana Vary mora, araka ny fampanantenan’ny Filoham-pirenena, ka tao Amboasary Atsimo no nanombohana izany. Vary 20 taonina isan’andro no ho amidy amin’ny 2000 Ar isa-kilao raha 100 taonina no efa nomanin’ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Orinasa SPM (State Procurement of Madagascar). Niara-nisalahy tamin’ny fandrindrana ny hetsika ny Fitaleavam-paritre (DRIC) Anosy.
?MENABE: Nahazo fiantohana ara-pambolena ireo kaoperativa sy fikambanan’ny mpamboly voanjo. Tolotra vaovao omen’ny Tranompiantohana ARO izy io vokatry ny fifandresen-dahatra tamin’ny Hetsika SAFER nokarakarain’ny DRIC MENABE sy ny CCI Morondava ny volana Jolay 2023, sy ny fihaonana B to B izay nandraisan’ny Vondron’ny mpamokatra voanjo any Menabe (GPAM) teto Antananarivo. Niara-miasa tamin’izany koa ny GIZ PRADA II sy ny DRAE Menabe.
?DIANA: Entina mivily an-tsambo ny entana hisorohana ny mety ho tsy fahatomombanan’ny famatsiana. Tsy maintsy nitady fomba hafa ahafahana mampiditra ireo entana ilaina andavanandro any Antsiranana ny tompon’andraikitra manoloana ny fahatapahan’ny Lalam-pirenena faha-6 (RN 6) mampitohy an’Ambanja sy Antsiranana. Toerana iray any amin’ny 36 km miala an’Antsiranana no ampidinana ireo entana ireo.

Vous aimerez aussi...