Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Analamanga sy Bongolava

?ATSIMO ANDREFANA : Telo andro, ny 23 ka hatramin’ny 25 Aogositra 2023, no nanatanterahana tany Toliara ny Atrikasa fanentanana sy fanofanana momba ny ZLECAF na Faritra ara-barotra malalaky ny Kaontinanta Afrikana, ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Fiaraha-miasan’ny MICC sy ny PNUD no nahatontosana ny Atrikasa. Nifanome tanana tamin’izany ny avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra ivelany (DCE) sy ny Fitaleavam-paritra (DRICC).

?ANALAMANGA : Dimy ireo mifaninana hitantana ny Taninketsa indostrialy hanodinana ny soja sy voanjo ho lasa menaka any Anjozorobe. Tapitra ny 21 Aogositra 2023 ny fe-potoana fanehoana fahalianana ho an’ireo mpandraharaha vonona ho amin’izany. Atsangana amin’izao fotoana izao ny Komity hanao ny sivana voalohany handinika ireo atontan-taratasy voaray.

?BONGOLAVA : Nisitraka ny zezika “Sulfate d’ammonium » (novokarina tany Ambatovy) sy « NPK 12.24.12 » natolotry ny Tetik’asa IRM ny Orinasa kaoperativa FIVOARANA ao Ambohimarina Kaominina Tsinjoarivo-Imanga. Nidina ifotony nijery ny firoboroboan’ny fambolena tsaramaso nampiasana izany zezika izany ny DRICC sy ny Tompon’andraikitry ny Tetik’asa IRM ary ny Ben’ny tanàna mpisolo toerana ny Alakamisy 24 Aogositra 2023. Nankasitraka ny fikarakarana azy ireo ny tantsaha.

Sary DRICC

 

Vous aimerez aussi...