Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Bongolava sy Sofia

?ATSIMO ATSINANANA: Nidina ifotony tany amin’ny kaominina Vohitrambo any amin’ny distrikan’i Vangaindrano ny avy amin’ny DRICC Atsimo Atsinanana. Nojerena tamin’izany ny kaoperativa iray misehatra amin’ny fanangonana sy fanodinana kafe ho vovony. Nohazavaina tamin’ireo mpikambana ny rafitra sy ny tokony hatao mba ho hita taratra ny vokatra sy ny tombontsoa ho an’ny rehetra. Niara-dalana tamin’ny DRICC tamin’izany ny Tetik’asa DEFIS sy ny DRAE.
?BONGOLAVA: Nifanaraka ny orinasa mpividy sy ny kaoperativa mpamokatra dipoavatra mena ny amin’ny vidy andraisan’ny mpandraharaha ny vokatra tonga any Toamasina amin’ity taom-piotazana 2023 ity. Araka izany dia nakarina ho 34 900 Ar/kg ny GRADE I raha 33 000 Ar/kg izany teo aloha. 28 800 Ar/kg kosa ny GRADE II raha 27 000Ar teo aloha. Ny GRADE III dia nanatombo 500 Ar tamin’ny teo aloha ka tafakatra 7 500 Ar/kg. Ho sokafana amin’ny fomba ofisialy ny 28 Febroary 2023 ny taom-piotazana dipoavatra mena any Bongolava.
?SOFIA: Novoriana tao Antsohihy ireo mpandraharaha ara-bary, mpamongady sy mpaninjara, ao anatin’ny distrika ny 06 Febroary 2023. Anisan’ny tapaka tamin’izany ny tsy maintsy hanaovana fanambaràna tahiry isa-kerinandro any amin’ny DRICC mba tsy hisian’ny fanararaotana ataon’ny mpandraharaha sy fanafenana tahiry. Nitarika ny fivoriana moa ny DRICC Sofia sy ny Prefektioran’Antsohihy ary ny solontenan’ny Faritra Sofia.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...